Lalana misokatra ho an’ireo mpanakanto. Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny “Indian Ocean Music Market” na ny “IOMMa 2025”, izay andiany faha-11 amin’ity. Hiantsoana ireo mpanakanto aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izay manam-pikasana ny hikatsaka ny tsena iraisam-pirenena ho an’ny mozika ny fifaninanana. Efa maro ireo mpanakanto malagasy no nandray anjara tamin’ireo andiany taloha, ary nisongadina hatrany isan-taona.
Toy ny tamin’ny taon-dasa, tarika 8 no hosafidian’ireo mpitsara, izay matihanina amin’ny tsenan’ny mozika maneran-tany. Efa fantatra fa iakatra ny sehatry ny IOMMa any Saint Pierre La Réunion, izy ireo ny 3 sy 4 jona ary ho fantatra ny 5 jona kosa izay voasafidy ka hotohanana amin’ny tohin’ny lalany. Efa maro ireo mpanakanto nasongadin’ny IOMMa, izay manana ny toerany eo amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena amin’izao fotoana. Manana hatramin’ny 17 janoary izao ireo mpanakanto malagasy izay liana, hisoratra anarana.
Zo ny Aina