Jery todika

 

Fanaovana jery todika na tombana ny famaranan-taona toy izao: aiza ho aiza na inona avy no vita, inona no mbola hatao na tsy maintsy atrehina… ? Na ahoana na ahoana, ny tsy vita hatrany no betsaka no ho izay vita na natomboka. Lanja miakatra ny fiainana. Tsy vitan’izany, be fikasana na faniriana mandrakariva ny olombelona? Na manonofy, manana vina… Izany koa no anaovana tombana amin’ny famaranan-taona toy izao: sao ariary zato am-padriana no natao? Na be famaritra toa tandrok’osy, lanitra tsy hian­jera no tohanana.
Misy ny be fikasana am-pitoerana fotsiny? Fa tsy miasa izany, tsy mihetsika… Ao ny miandry ny toe-draharaha na izay tontolo isiana mbamin’ny hafa hoe miova vao mieritreritra hiova na hanova? Nefa rehefa tsy tapa-kevitra hiova sy hanova ny tena, ovain’ny tontolo manodidina ho azy miandalana eny. Izany no anisan’ny mahatonga ny fahazarana tsy mampivoatra, ny fiforetana fotsiny amin’izay iaretana fa tsy sahy miova na hanova. Na ahoana na ahoana, sarotra sy mafy ny miala amin’ny mahazatra. Izay no anaovana fanamby.
Nahoana, ohatra, no tsy miova firy izay atao? Mbamin’ ny fomba fiasa, ny vokatra azo… Fanaovana jery todika na tombana izao. Tsy amin’izay atao fotsiny, fa eo amin’ny fomba fiasa sy fanao indrindra koa. Miara-dalana amin’ izany izay olona iaraha-miasa, ny famaritana izay atao sy mety ho vita na azo tanterahina. Izay fomba fiasa izay indraindray no tsy voahevitra lalina amin’izay atao? Hany ka tsy mahita vokatra na tsy mahomby firy… Firy tao-maty niadiana amin’ny fahantrana, ohatra, ny isam-batan’olona, isan-tokantrano; eny, na ny firenena aza? Mila jerena ny fomba sao tsy miady, fa tsy hoe miady amin’ny fahoany fahoany fotsiny. Fitodihan-tena izao, fijerena tena…

R. Nd.

Partager sur: