Jôkôsô-Festival du Rire: Hiditra amin’ny andiany fahadimy ny hetsika

Hotanterahina ny 26 hatramin’ny 28 septambra 2025, hitohy ny 3 hatramin’ny 5 oktobra 2025 ny “Jôkôsô-Festival du Rire”. Miditra amin’ny andiany fahadimy ny hetsika amin’io taona ho avy io. Hampivondronana iray ny Malagasy mpanao hatsikana eto Madagasikara ity hatao ity. Anisan’ny hita nandray anjara tamin’ny andiany efatra teo aloha ireo mpanao hatsikana voasokajy ho zokiny. Eo ihany koa ireo miangaly ny sokajy “Stand Up”, ahitana ireo Malagasy tanora ankehitriny. Tanjona amin’izany ny hampiraisana ny mpiangaly hatsikana eto an-toerana sy hametrahana sehatra iray ahafahan’ny fianakaviamben’ny hatsikana malagasy mifampizara.
Tsy nampiandry ela fa efa eo ampanomanana ny andiany fahadimin’ny “Jôkôsô-Fes­tival du Rire” sahady ny mpikarakara. Mivoatra ary mihatsara hatrany ny kalitaon’ny hetsika isan-taona. Antenaina, araka izany, ny hahamatihanina sy avo lenta ny hetsika amin’ity taona ity. Tsy hiova amin’ny fototra nahafantarana azy ity hotontosaina ity. Hisy ny atrikasa, ny velakevitra, ny valandresaka ary ny fampisehoana. Tsiahivina fa anisan’ny mandray anjara amin’ity “Jôkôsô-Festival du Rire” ity i Dadavy, Gothlieb, Françis Turbo, Etsetra Etsetra, izay sokajiana ho mpanao hatsikana tranainy. Eo ihany koa anefa ireo kintana vao misantatra ny hatsikana malagasy. Anisan’izany i Lanja Babaina, Raitra Belaw’Yck, Aina Maha­ravo …

Lin

Partager sur: