Judo-Female Training : Mpikatroka 30 no namaly ny antso

Tontosa ny alatsinainy 23 desambra lasa teo, teny amin’ ny Playbox Analamahitsy, ny “Female Training Camp”, taranja Judo, nokarakarain-dRasoanaivo Razafy Laura. Mpikatroka 30 no namaly ny antso sy naka traikefa tamin’i Laura. Nampiavaka ny fanazarantena ny niarahan’i Nofy (taranja Jiu-jitsu) sy i Rou­maica, judokas tompondaka tamin’ny Open De Dakar. Nifampizara traikefa niaraka tamin’i Laura izy ireo. Tsy ny Judokas ihany no namaly ny antso, fa nisy taranja hafa ihany koa, toy ny Jiu-jitsu. Nizara 3 ny fifampizarana ka natao voalohany ny fomba hatao amin’ny fanomanana ara-batana amin’ny ankapobeny. Nitohy tamin’ny fanazarantena ho an’ny Judo manokana ary ny fampianarana Judo avy eo. Azo lazaina ho nahomby ity hetsika nokarakarain’i Laura ity satria liana ireo judokas vehivavy ary maniry ny mbola hanohizana izany. Nisaotra ireo nandray anjara rehetra, ny judokas tompondakan’i Afrika, Rasoa­naivo Razafy Laura. Teo ihany koa ireo rehetra nanampy sy nanohana azy ary ireo “guest” roa vavy, dia i Nofy sy i Roumaica.

Mi.Raz

Partager sur: