Kelivaho Betroka: Vehivavy naratra mafy notifirin’ny dahalo

Tsy vitan’ny mangalatra omby fa manafika toeram-pivarotana ny dahalo amin’iny tapany atsimo iny. Niharan’ny fanafihan-dahalo nirongo fi­taovam-piadiana mahery vai­ka ny renim-pianakaviana iray mpivarotra, monina ao amin’ny fokontany Kelivaho distrikan’i Betroka, ny 24 desambra 2024 vao maraimbe. Araka ny tatitra voaray avy amina loharanom-baovao iray ao an-toerana, efa niandry teny ivelan’ ny trano ireo olon-dratsy, satria sendra andeha hivoaka ilay renim-pianakaviana no tratran’ny fanafihana. Tifitra variraraka no niantefa teny amin’ny vatany hatrany amin’ny feny. Nianjera sady naratra mafy izy. Nanararaotra nandroba ny entana azo nobataina tao an-tsena ireo olon-dratsy. Lasa avokoa ny ankamaroan’ireo entana fampiasa andavanandro hita tao an-tsena. Lasa nitsoaka ry zalahy rehefa avy nandroba ity trano fivarotana ity. Fotoana fohy taorian’ny fanafihana tonga teny an-toerana ny zandary nanao ny fanadihadiana. Nentina ao amin’ny CSB2 Ankilivaho ilay niharam-boina. Mitohy ny fanaraha-dia ataon’ny zandary miaraka amin’ny fokonolona ireo daholo tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Mi­rongatra izaitsizy ny asan-dahalo ao amin’ny kaominina ambanivohitra Anki­livaho na eo aza ny ezaka ataon’ny zandary amin’ny famongorana ireo malaso, mitaintaina hatrany ny mponina ao an-toerana.

J.C

Partager sur: