Enin-dahy sempotry ny entona tao anatin’ny lavaka fitrandrahana vato tao amin’ny kaominina Ambohimanjaka, distrikan’Ambositra, ny 24 desambra teo.
Namoy ny ainy avokoa ireo enin-dahy, mpitrandraka vato sarobidy sempotry ny entona tao amin’ny toeram-pitrandrahana Ambatomena, fokontany Fierenantsoa, kaominina Ambohimanjaka, distrikan’Ambositra, afakomaly. Nanao ny asa mahazatra azy, nidina anatin’ny lavaka am-polony metatra ambanin’ny tany ireo vatan-dehilahy ireo. Tsy ampy tampoka anefa ny rivotra niainany tao anatin’ny lavaka noho ny fahateren’ny lavaka sy ny halaliny. Tsy nisy niverina niakatra an-tanety intsony izy enin-dahy ka mailo ireo mpiara-miasa aminy. Nampandre ny tomponandraikitra eo anivon’ny kaominina sy ny mpitandro filaminana hifanome tanana azy ireo, mba hanavotana ireo lasibatra. Nidina ifotony, araka izany, ny governora ao an-toerana niaraka tamin’ny ekipany. Notsirihana tao anatin’ny lavaka, efa tsy nisy aina intsony ireo olona enina voalaza fa tavela tao. Nanao izay ho afany nampiakarana azy ireo ny vatan-dehilahy saingy roa tamin’ireo lasibatra no tafavoaka tamin’io andro nitrangan’ny loza io. Nanao sarotra raha teo ny fampiakarana azy ireo.
Roa hafa tavela
Hatramin’ny omaly, niampy roa ireo vatana mangatsiaka tafakatry ny tomponandraikitra tao anatin’ny toeram-pitrandrahana. “Roa azo tamin’ny andron’ny loza. Roa hafa azo ho an’ny anio 25 desambra ary mbola tavela ny roa namany”, hoy ny fanazavana voaray avy tamin’ny lehiben’ny tobi-paritry zandarimaria Ilaka Centre. Tsy fantatra mazava hatreto ny karazam-bato sarobidy tratran’ireo olona tra-doza ireo. Mitohy ny fangalana ireo roa hafa mbola tavela anatin’ny lavaka.
Tsiferana R.