Saika haondrana tamin’ny alalan’ny taratasy hosoka ireo volamena 53,73 kilao tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alatsinainy teo. Taratasy tsy tena izy no nampiasaina saika hitondrana izany any ivelany ka noraisim-potsiny ilay nikasa hamoaka ireo volamena.
Mpiasam-panjakana iray avy ao amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny no voalaza fa tompon’ antoka tamin’ny fanomezan-dalana hosoka saika namoahana ireo bolongam-bolamena ireo dia i Soananata Fanambinana Julien Dersen. Karohin’ny mpitandro filaminana fatratra ny tenany amin’izao fotoana. Vesatra anenjehana azy ny fampiasana hosoka ary ny fisandohana andraikitra, raha ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny Governemanta sady minisitry ny serasera sy ny kolontsaina, Mara Volamiranty Donna, tao amin’ny fanambarana navoakany. Napetraka eny anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) ireo bolongam-bolamena tratra. Andrasana kosa ny tohin’ ny famotorana.
Hentitra
Vanim-potoana mampirongatra ny fanaovana trafika samihafa ny vanim-potoan’ny fety toy izao. Tokony ho mailo ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Ny fadintseranana rahateo efa nametraka paikady hisorohana ny trangan-javatra toy izao. Hentitra ny fanaraha-maso eny amin’ny seranan-tsambo sy ny seranam-piaramanidina ary ny sisintany. Miara-misalahy ny rafitra samihafa amin’ny fanaraha-mason’ny fivezivezena rehetra izy. Ampiasaina ihany koa ireo fitaovana vaovao izay hiara-miasa feno amin’ny « ny brigade cynophile ». Ho hentitra ihany koa ny fanaraha-maso amin’ireo « caméras de surveillance ». Hamafisina ny fifandrindrana sy ny fifampizarana vaovao eo amin’ny sampandraharaha rehetra. Tohizana ny fampiasana ireo alika mpitsongo dia, hampiasaina ireo fitaovana moderina mampiasa faharanitan-tsaina artifisialy famantarana hosoka, hiara-hiasa akaiky amin’ireo sampana miasa eny amin’ny sisintany. Nitondra vokatra ny paikady napetraka tamin’alalan’ny fahatrarana ireo volamena 13,875 kg teny Ivato, herinandro vitsy lasa izay ka izao nahatrarana tranga vaovao iray hafa izao.
Henintsoa Hani