Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Antsirabe, ny fifaninanana “Coupe de Noel”, taranja karaté. Fifaninanana nokarakarain’ny ligin’i Vakinankaratra, natrehan’ny teo anivon’ny federasiona, notarihan’ny filohany, Ratefinanahary Emile.
Ny fifaninanana Fiba 3×3, taranja basikety no hanombohana ny « Agnambahy mifety », izay hatao any Vakinankaratra, ho amin’ny anio. Fifaninanana hanomboka anio ary hifarana ny 29 desambra izao. Taranja maro no hifaninanana ankoatra ny basikety, anisan’izany ny baolina kitra.
Vita ny faran’ny herinandro teo, tany Manakara, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Volley ball, sokajy Vétérans. Voahosotra tompondaka ny ekipa avy any Farafangana. Teo amin’ny laharana faharoa i Manakara ary Antananarivo no fahatelo.
Efa fantatra ny fandaharam-potoana ho an’ny taranja Jiu-jitsu, mandritra ny enim-bolana voalohany amin’ny taom-pikatrohana 2025. Anisan’izany ny Chess Battle hatao ny 15 marsa sy ny Grand Open de Madagasikara, hatao ny 26 Aprily.