Hiaka-tsehatra eny amin’ny Chez Poony Mandrimena ny tarika Jeneraly, anio manomboka amin’ny 8 ora alina. Hahazo ny anjarany indray, araka izany, iny Atsimondrano iny. Efa maro ny seho nataon’ny tarika Jeneraly ho fanomezana fahafaham-po ny mpankafy. Seho nahafantarana ny tarika no hita mandritra ity fampisehoana ity.
Haranty eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, manomboka anio, ny sary sy fampahafantarana an-dRamilijaona. Hita ao anatin’izany ny sary sy ny tantarany. Raha tsiahivina, Ramilijaona izay anisan’ny rain’ny saripika moderina. Na dia efa tamin’ny taona 1900 tany aza izy no nalaza, mitoetra ho aingam-panahy ho an’ireo mpiangaly saripika ankehitriny ny sanganasany.
Nambaran’i Bini Josoa, tompon’andraikitry ny tetikasa eo anivon’ny Madagaslam ny hivelaran’ny Slam Malagasy makany amin’ny fiantsana Slam amin’ny teny Anglisy. “Nandray ny mpamorina Slam isika. Tokony hararaotina ny fampivoarana ity taranja ity. Izany indrindra no hisian’ny hetsika maro samihafa ho fampivelarana izany taranja izany”.
Nifarana ny alin’ny alatsinainy teo fa tsy nitohy ny talata intsony, ny “Noelin’ny Fitia”. Andiam-pampisehoana isaky ny alina, notontosaina teny amin’ny Kianja Masoandro, ao Anatirova izy ity. Lavalava kokoa, araka izany, ny seho farany. Satria, nalaina nisaraka ny mpanakanto sy ny mpijery. Samy naneho ireo hira Noely miavaka ry Mathieu kely La Voix D’or, The Singers of Jesus, ny TGC, sns.