Toamasina : Manjaka ny asan-jiolahy

Jiolahy miisa folo niditra an-keriny tao amin’ny mpivarotra, tao Mangarano parisela 11/47, tsy lavitry ny foiben-toeranan’ ny orinasa mpanao asa vaventy, ny 20 desambra lasa teo. Ho an’ny andro voalohany, tsy tontosa izany noho ny fisian’ny vatan-dehilahy miandry amin’ny alina. Tratran’ny be noho vitsy sy ny fitaovana teny am-pelatanan’ny jiolahy ka nitsoaka ireo mpiambina alina. Nandrahona ireo jiolahy fa hitifitra raha toa ka mikasa hanakatsakana ireo mpiambina ireo. Niezaka niantso polisy ny fokonolona ary voasakana ihany ny asa ratsin’ ireo jiolahy. Sabotsy alina teo, nanafika trano fivarotana hafa ireo tsy valahara. Niantso vonjy ny tompon-trano. Nivoaka ny mpifanolo-bodirindrina ka nitifitra ireo jiolahy. Voan’ny bala tamin’ izany ny roa lahy izay monina tsy lavitry ny trano voatafika. Voaroba ny entana tao an-tsena. Ankoatra io, renim-pianakaviana iray, hamonjy fodiana lasibatry ny fanafihan-jiolahy, tao Tanambao Verrerie, ny faran’ny herinandro lasa teo .

Sajo

Partager sur: