Havaozina sy arahi-maso hatrany ny toe-draharaha mahakasika ny fiarovana ara-tsakafo any amin’ny faritra marefo indrindra amin’ny loza ateraky ny toetr’andro. Amin’ ny alalan’ny BNGRC no hanatanterahana izany mba hiantraika mivantana amin’ny faritra iasana. Jerena manokana izany ao anatin’ny toe-javatra iray ahitana fiakaran’ny tsy fahatokisan-tena ara-tsakafo noho ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fidangan’ny vidim-
piainana amin’ny sakafo ilaina andavanandro.
Maromaro ireo mpiara-miombon’antoka mifarimbona amin’ny hetsika ity. Miisa 30 izy ireo avy eto an-toerana sy iraisam-pirenena, izay miasa amin’ny sehatry ny fiarovana ara-tsakafo sy ny famelomana.
Endrika iray ahazoana fanohanana avy amin’ny Unité Globale de Soutien de l’IPC, izay miorina ao Roma ihany koa ity dingana ity.
Nisy ny atrikasa fampiofanana sy famakafakana IPC, izay natao tany Antsirabe, ny herinandro teo, nahafahana namolavola izany. Vokatra andrasana ao aorian’ity hetsika ity ny famoahana ny biletà famakafakana IPC momba ny tsy fanjarian-tsakafo maika (IAA). Vinavinaina hivoaka amin’ny volana janoary 2025 izao izany bileta izany.
Mbola maro ireo faritra ahitana olona iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara. Maro ny antony mahatonga izany. Ny hany tsikaritra na an-tanàn-dehibe aza dia misy ny tsy fanjarian-tsakafo noho ny fidangan’ny vidim-piainana ankehitriny.
Tatiana A