Hanana tanjaka 500MW ilay tobim-pamokarana herinaratra lehibe azo avy amin’ny herin’ny masoandro hapetraka eny Tsarasaotra. Hanampy amin’ ny famokarana herinaratra efa misy ao amin’ny tambazotra iraisan’Antananarivo (RIA) izy. Hovitaina mialoha ny aogositra 2025 ny fotodrafitra lehibe ka nijery ny toerana hametrahana izany ireo tomponandraikitra.
Hamboarina ny lalana fandehanan’ny fiaramanidina ao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, manomboka amin’ny taona 2025. Tanjona ny hanatsarana ny tolotra omenan’ireo kaompania, ireo mpandraharaha ary ireo mpandeha fiaramanidina. Tetikasa ho an’ny fotodrafitra maoderina sy tsara ho an’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny fizahantany.
Manamafy ny fahaiza-manaon’ireo indostria madinika sy salantsalany (PMI) ny SIM sy ny fandaharanasa fihariana, tamin’ny fampanofanana ny tontolon’ ny fandraharahana natao teny Analakely, ny herinandro teo. Tanjona ny hahafahan’ireo PMI miatrika ny fanamby ny hampandroso ny fitantanany ka hampaharitra ny orinasa tantaniny
Handray anjara amin’ny « Salon international du tourisme » (Fitur) atao any Madrid i Madagasikara, ny 22-26 janoary 2025. Hetsika hampahafantarana ny hakanton’ny Nosy malagasy sy ny harena mampiavaka azy. Eo koa ny ho fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany eto amintsika.