Navoakan’ny eo anivon’ny rantsan’ny Ceni, ny alatsinainy 23 desambra teo, tetsy amin’ny efitrano fanaovam-petin’ny CRJS ny voka-pifidianana vonjimaika ho an’ny faritanin’ i Toamasina tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina, natao ny 11 desambra teo. Ho an’ i Toamasina renivohitra manokana, miisa 55 886 ireo mpifidy voasoratra anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana, raha 53 752 kosa ny vato manan-kery. Nahazo ny vaton’ny mpifidy miisa 24 965 na 46,44 % tamin’izany ny kandidà natolotry ny vovonana Irmar, ny mpitsara Randriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain. Eo amin’ny laharana faharoa kosa ny kandidà natolotry ny avy amin’ny vondron’ny mpanohitra, Ratsiraka Rolland. Nahazo ny vaton’ny mpifidy miisa 23 922 na 44,50 %. Teny fohy sy tsotra no nambaran’ny kandidàn’ny Irmar, i Zoky Alain, taorian’ny famakiana ny voka-pifidianana vonjimaika. “Hiasa sy vonona hanarina an’ i Toamasina isika”, hoy izy, raha nanontanian’ireo mpanao gazety.
Etsy andaniny kosa anefa, nampametra-panontaniana ny maro ny fisian’ny toerana na seza ho an’ireo nasaina manokana fa babangoana avokoa izany tamin’izao famoahana ny voka-pifidianana vonjimaika, nataon’ny eo anivon’ny Ceni izao.
Sajo sy Synèse R.