Ady tsy vita

 

Ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, anisan’ny ady atrehin’izao tontolo izao amin’izao? Eo koa ny fanahiana sy fahatahorana hianjera amin’ny ady lehibe. Efa rivotra fohina sy manempotra tato ho ato izay? Ady mivantana etsy sy eroa, fifandranitana sy fifandrahonana atsy sy arỳ… Ho tonga hatraiza? Miara-dalana ho azy amin’izany rehetra izany ny haintany, ny fanahiana tsy fahampian-tsakafo na mosary… Tsy afa-bela amin’izany i Madaga­sikara. Manampy trotraka aza ny fahantrana lalina sy maharitra, ny tsy fisian’asa, ny tsy fandriampahalemana, ny tsy fitoniana politika tanteraka…
Tsy ialana olana ny fiainana? Izay no maha olombelona: miatrika ady mandrakariva, tsy maintsy miady, manantena fandresena… Amin’izany, arakaraka ny fiatrehana ny ady na androsoana amin’izay ady izay no hipoiran’ny olana hafa, ohatra. Dia mila fantarina izay tena olana, indrindra izay tena fototry ny olana mbamin’izay mety ho vokany. Sao manenjika na misambotra rivotra fotsiny… Lazaina mandrakariva fa marolafy ny olana, maika avokoa ny zava-drehetra. Mby aiza? Fanaovana tombana izao. Ny olona no mety ho olana? Na ny fomba fiasa, ny fitantanana, ny rafitra iasana, izay iaraha-miasa…
Tsy tongatonga ho azy ny fahombiazana amin’izay atao; eny, na ny fahavoazana koa aza. Misy antony sy dikany ary vokany avokoa. Mila jerena hanovana famindra na lalana, hanitsiana ny fanao… Fotoan’izany izao. Ny adala ihany no indroa latsaka amin’ny lavaka nianjerany, ny adala ihany no tsy mety hiova amin’ny hevi-disony… Fandinihan-tena koa izao? Tsy mandeha anjambany, tsy manaraka ambokony, tsy manao tsy fidiny… Hita ny taona vita. Misy na be ny ady tsy vita fa tsy maintsy. Mainka hiampita amin’ny taona vaovao, tsy aleo aloha mandini-tena sy manao jery todika?

R. Nd.

Partager sur: