“Aleo ao anatin’ny fitoniana hatrany no iandrasana ny valim-pifidianana havoakan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana”. Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny firaisamonina sivily Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andriamanana Nivoarivony, teny Alarobia, omaly. Ny amin’ny fiandrasana ny voka-pifidianana ofisialin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly no nanambarany izany. Na izany aza, tsy nafeniny fa misy ihany ny fanararaotam-pahefana. Ny voka-pifidianana vonjimaika tao amin’ny faritanin’i Fianarantsoa, ohatra, nanana ny rariny, ny kandidà nangataka fampitaham-bokatra. Nisy ny porofo ny tsy fahatomombanana nitranga tamin’izany. Nandefa fitoriana any amin’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana ny kandidà. Ho hita eo ny tohiny sy ny voka-pifidianana ofisialy farany. Mbola ao anatin’ny fahazoan’ny kandidà manao fitoriana izao, rehefa misy ny vavolombelona sy ny porofo, mba tsy ho tonga amin’ny hoe azo raisina fa tsy mitombina.
Ny amin’ny fangatahana sy fanomezana ordonansa, ny fitsarana no miandraikitra azy. Ny fitsarana izany no namoaka an’ireny ordonansa be dia be ireny, raha izay no jerena. Tsy misy idiran’ny Ceni ny amin’izany. Manatanteraka baiko ny Ceni, rehefa didin’ny fitsarana hoe soratana amin’ny lisi-pifidianana ny olona nomena ordonansa. Andrasana ny valin’ny fanadihadiana momba ny fidirana antsokosoko tao amin’ny voka-pifidianana vonjimaika Antananarivo Renivohitra navoakan’ny Ceni. Vokatr’izay, tsy inona fa fanakorontanana. Matoa nisy fidirana antsokosoko toy izany, misy zavatra tsy milamina ao amin’ny sampandraharahan’ny informatika.
R. Nd.