Nanomboka ny taona 2018 ny fandefasana Malagasy mpianatra isan-taona any Maroka. 20 isaky ny andiany no misitraka ny vatsim-pianarana ary efa hiverina izao ireo nahavita fiofanana teo aloha. Notsofina rano teny Ampefiloha, omaly, ny andiany vaovao.
Malagasy mpianatra 18 mianadahy nahazo ny maripahaizana bakalorea teknika ny taona 2023 (enina tovovavy ary 11 tovolahy) no nisitraka vatsim-pianarana avy amin’ny governemanta marokanina, tafiditra amin’ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta. Eo anelanelan’ny 18-21 taona izy ireo ary hanohy fianarana mandritra ny 2 taona, any maroka. “Technicien spécialisé” ny diplaoma entin’izy ireo miverina eto an-tanindrazana rehefa vita ny fiofanana any.
«Nosafidiana manokana izy ireo satria mendrika ary niavaka ny vokatra azony», hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Rasolonirina Marie Marcelline.
Fandraisana andraikitra ho an’ny tanora hahazo fahaiza- manao vaovao ary hiverina hanasoa ny tanindrazana no tanjon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa.
“Gestion des entreprises” ny lalam-piofanana nosafidian’ Andriamiangola hatao any Maroka. Mpianatra tao amin’ny LTC Ampefiloha izy. “Mecatronique” kosa ny lalam-piofanana harahin-dRamahandrarivo Teddy Solofoniaina. Efa mandroso ny teknolojia eto Madagasika ka entina eto ny fahalalana rehetra azo rehefa vita ny fianarana. Mpianatra teny amin’ny LTP Alarobia izy. Fanovozana fahalalana vaovao sy fakana traikefa ny fandehanana any an-toerana. Misolo tena ny firenena malagasy ireo mpianatra ka tokony hiavaka amin’ ny fihetsika sy ny fitondran-tena, hoy ny minisitra nandritra ny fandraisana sy fitsofan-drano azy 18 mianadahy, omaly.
Fiaraha-miasa amin’ny fanjakana malagasy sy marokanina ny fanomezana vatsim-pianarana ho an’ny Malagasy mpianatra izay fampiroboroboana ny maha olona rahateo. Avy amin’ny fanjakana marokanina ny vatsim-pianarana fa miantoka ny fandehanana mandroso sy miverina kosa ny fanjakana malagasy.
Vonjy