Fampiroboroboana ny orinasa : Sakana ny fihisaran’ny toekarena

Sakana ho an’ny fampiroboroboana ny orinasa sy ny fandraharahana ny fihisaran’ny toekarena, ny olana amin’ny fahatapahan’ny herinaratra ary ny toe-draharaha politika eto amintsika.

Mijanona ho fanambin’ireo mpitantana orinasa ny fampiroboroboana ny fandraharahana na teo aza ny olana nosedrainy nandritra ny enim-bolana farany teo. Antony mahatonga izany ny tsy fivoaran’ny toekarena, raha ny nambaran’ireo, 75,1% ny orinasa nohadihadiana, hoy ny Banky foiben’i Ma­dagasikara (BFM) tao anatin’ny fanadihadiana ara-toekarena (ECE). Nilaza ny tatitra fa 60,5% nitondra fanazavana mahakasika ny olan’ny fahatapahan-jiro, raha 56,6% kosa manondro ny olana eo amin’ny ny toe-draharaha-politika. Mipetraka eo amin’ny laharana fahefatra sy fahadimy ny mpitantana orinasa ny tontolon’ny hetra (56,0%) sy ny fepetran’ny fifaninanana (40,0%). «Tsy mitovy ny fivoaran’ireo orinasa eo amin’ny sehatry ny ara-dalàna teo anelanelan’ny telovolana faharoa sy fahatelo», hoy hatrany ny BFM. Nihatsara ny vokatra ho an’ireo orinasa vaventy raha toa ka nitontongana kosa izany ho an’ireo orinasa madinika sy salantsalany misehatra amin’ny fanodinana sy ny famokarana. Tafakatra 1,7% ny ta­han’ny kaomandy, ny fampiasam-bola, ny tombom-barotra ary ny famoronana asa araka ny maridrefin’ny «Indicateur synthétique des activités des entreprises» (IAE). Niakatra ity tarehimarika ity raha oharina tamin’ny vinavina nape­trak’ireo mpitantana orinasa.

Vina
Hita ao anatin’ny fana­dihadian’ny ECE fa nitombo ny vokatra, ny kaomandy, ny asa nandritra ny telovolana fahatelo raha nilatsaka kosa izany ho an’ny tombombarotra azo. Antony mahatonga izao, hoy ny BFM, ny politikan’ny varotra napetraka ho an’ny fifaninanana na eo aza ny fiakaram-bidin’ny famokarana. No­ho izany, manantena fi­voaran’ny famokarana ireo orinasa salantsalany mandritra ny telovolana faran’ny taona 2024. Vina izay mian­kina betsaka amin’ny ha­betsaky ny varotra sy ny tontolon’ny toekarena, na eo aza ireo fanamby samihafa atre­hina.

Henintsoa Hani

Partager sur: