Voafidy vonjimaika ho ben’ny Tanànan’ Antsohihy, ny mpanakanto, i Vaney’s. Nahazo ny salanisa 49% mahery ny tenany amin’izao firotsahany amin’ny mahaleo tena izao. Efa nirotsaka kandidà depioten’Antsohihy ny tenany saingy tsy lany. Tsiahivina fa vadin’ny depiote teo aloha, efa nodimandry, Jao Jean, ity mpanakanto lasa ben’ny Tanàna ity.
Tsy nitsitsy fitenenana ny filoha nasionalin’ny Freedom, Rakotondrazafy Lalatiana, manoloana ilay depiote sarona nikasa hanondrana antsokosoko harem-pirenena. “Aoka hosaziana hentitra araka ny lalàna fa tsy asiana fanavahana. Rehefa vandana dia kary”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy azo ekena ny firaisana tsikombakomba sy ny namanamana.
Niatrika ny fetin’ny Noely tahaka ny mahazatra azy eny Imerinkiasinina ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, sy ny fianakaviany, ny 25 desambra teo. Nambarany fa fotoana izao Krismasy izao hanamafisana ny finoana. “Tokony hanana fanantenana hatrany isika… Mirary fety sambatra ho an’ny vahoaka malagasy izahay”, hoy izy.
Misaona ny tontolo politika. Nodimandry ny 24 desambra teo ny Pr Manantsoa Victor. Mpampianatra mpikaroka eo anivon’ny Oniversiten’i Fianarantsoa ary efa minisitry ny Asa sy ny fampanananasa. Efa minisitry ny Fifandraisana amin’ny Andrimpanjakana koa izy teo aloha. Anisan’ny niara-dia amin’ny fanoherana ny tenany nialoha izao fodiamandriny izao.