Fetin’ny Noely : Olona 4 namoy ny ainy

Nitombo ny antontanisan’ireo olona tonga nanatona ny hopitaly CHUJRA, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely, raha oharina ny tamin’ny taon-dasa, raha ny tatitra voaray. 4 ireo olona maty nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Noely 2024, 2 ivelan’ny hopitaly, ny roa kosa teo anivon’io hopitaly io, omaly. Nahatratra 237 ny isan’ireo olona tonga nizaha fahasalamana teny an-toerana, nanomboka ny 24 sy ny 25 desambra 2024 lasa teo. Raha ho an’ny vonjitaitra manokana, nahatratra 215 ireo olona tonga nanatona. 21 tamin’izy ireo tsy maintsy naiditra hopitaly. 34 ireo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe, 17 ireo naratra vokatry ny ady madinika tany an-tokantrano.

Vokatry ny fisotroana
Nahatratra 22 ireo tonga tao amin’ny sampana famelomana aina. 6 ireo olona naiditra hopitaly teo anivon’io sampana io, vokatry ny fisotroana tafahoatra sy fanapoizinana ara-tsakafo. Lehilahy ny 4 ary vehivavy ny 2. Tsy maintsy notazomina ny 12 tamin’ireo raha toa ka nalefa nody ny 11 hafa rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.
“Ilaina ny fitandremana eo amin’ny rehetra, indrindra amin’ny fetin’ny faran’ny taona izao, mba hisorohana ny loza sy ny fiakaran’ny antontanisa”, hoy i Manoël Eric, lehiben’ny Sampana serasera.

Mino

Partager sur: