Ambany ny tahan’ny fanoratana ny zaza teraka eto Madagasikara, satria mahatratra 74% (araka ny fanadihadiana Ensmond 2021), ka mahatonga ny mpiray ombon’antoka amin’ny Focus Development Association (FDA) nanao hetsika amin’ny fanoratana zaza. Iray amin’izany ny Haut commissariat des Nations unies pour les réfugiés (UNHCR). « Mampitombo ny ambana hitarika amin’ny tsy fananana sata ny tsy fanoratana ny zaza vao teraka eny amin’ny rafi-panjakana misahana izany. Mety ho lasa olona tsy manana sata ny ankizy tsy manana kopia satria tsy fantatra ny mombamomba azy ary tsy misy izy ara-panjakana. Rehefa lehibe izy ka maniry ny hanoratra ny zanany vao teraka dia ho sahirana satria tsy manana sata », hoy ny fanazavan’ny mpahay lalàna ao amin’ ny FDA, Zafera Richmond, omaly, teny Mandrosoa Ivato.
Ankoatra izay, mahatonga tsy fisitrahana zo fototra maromaro ny tsy fananana sata, ohatra, zo hifaninana amin’ny « concours » karakarain’ny fanjakana, tsy afaka mangataka pasipaoro raha hitsabo tena any ivelany.
Ny UNHCR dia nametraka tetikasa fisorohana sy famongorana ny tsy fananana sata ary miara-miasa amin’ny FDA eto Madagasikara amin’io tetikasa io. Nanomboka ny taona 2014 ny hetsika teto amintsika ka laharam-pahamehana ny adisisika sy ny fanovana ny lalàna. Tafapetraka ny lalàna manome fahafahana ny vehivavy malagasy mampita ny zom-pireneny amin’ny zanany.
Vonjy