« Tammy », midika hoe Tanala avy any Manjaka Anadabo. Ny « FJ », fanafohezana ny Florent sy i Junior. Mirona bebe kokoa ho amin’ny fiangaliana ny « Afro beat » izy mirahalahy ireto. Tsy mihanona hatreo amin’izay, anefa, fa mikaroka ny fomba hamokarana mozika vaovao avy amin’ny fampiarahana ny « Afro beat » amin’ireo gadon-kira hafa tahaka ny tsapiky sy ny Zouk love, sns ihany koa. Tombon-dahiny ho an’ny Groupe Tammy FJ ny talenta ananan’i Florent sy i Junior eo amin’ny sehatry ny famoronana. Mahafehy mitendry karazan-javamaneno maro ihany koa i Florent. Manana kalitaom-peo kanto misy angola sy matanjaka ihany koa izy roa lahy.
Vinanasan’ny Tammy FJ amin’ny taona 2025 ny fanaovana fitetezam-paritra any atsimo atsinanan’ny Nosy. Hivoaka ny volana janoary ho avy izao ny hira vaovao « Tsy nampoiziko » novokarina avy amin’ny fanambarana ny « Afro beat » sy ny tsapiky. Iray amin’ireo sanganasan’ny Groupe Tammy FJ efa maro mpankafy kosa ny « Ka mandà » avy amin’ny marimaritra iraisana eo amin’ny « Afro beat” sy ny « zouk love », izay efa vita rindran-tsary.
HaRy Razafindrakoto