Jiolahy roa lahy nitondra antsibe, niditra an-keriny tao amin’ny toeram-pandraisam-bola eo anivon’ny Hopitaly Be Toamasina, omaly. 60 tapitrisa Ar voaroba, loharanom-baovao hafa nilaza fa tsy nahazo na inona na inona ny mpandroba.
Nidirana jiolahy roa lahy mitondra antsibe ny ivontoerana fandoavam-bola, CHU Analankininina Hopitaly Be Toamasina, omaly tolakandro. Nivimbina sakaosy ny iray tamin’ireo olon-dratsy ka niditra tahaka ny olon-tsotra tao amin’ny faritry ny hopitaly izy ireo. Nanararaotra ny fisiana mpitondra marary iray handoa vola teo amin’ny toerana voatokana anivon’ny hopitaly, namoaka ny antsibe teny aminy ireo mpandroba. Norahonany ny mpiasa misahana ny fandraisam-bola eo anivon’io hopitalim-bahoaka io. Niroso ny mpanjifa iray hafa nikasa handoa vola ka nitsoaka nivoaka ireo jiolahy. Latsaka ny sakaosy sy ny antsibe teny aminy. Tsy mbola nahazo na inona na inona ireo olon-dratsy, araka ny fitantaran’ireo nanatri-maso tao amin’ny toerana nitrangan’ny fandrobana. Etsy ankilany, niroso tamin’ny fanadihadiana ny polisy miasa ao an-toerana. Loharanom-baovao voarain’izy ireo nilaza fa nahazo lelavola 60 tapitrisa Ar ireo jiolahy. Andrasana ny famotorana.
Jiolahy 15
Noraofin’ny jiolahy 15 ny entana amin’ny tsena iray tao Mangarano, parisela 11/46, lalam-bato Masina miditra Antsarakofafa, ny talata hifoha alarobia 25 desambra teo. Voaroba ny vary tamin’ny gony sy voamaina niampy ny vola majinika tao anatin’ny tsena. Fanampin’ireo, lehilahy avy naka vola tao amin’ny banky, niharan’ny asan-jiolahy tao Ambolomadinika, Toamasina, ny alatsinainy 23 desambra teo. Nitaingina Bajaj, nahazo vola 8 tapitrisa Ar nindramina tamin’ny Banky izy. Nidina ny Bajaj, nandrasan’ny roa lahy nitaingina moto kendry tohina io lehilahy io, tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Namoaka fitaovam-piadiana, voahambana io nitondra vola sy ny antontan-taratasy kasainy hanaovana ny tetikasa io. Nifampisintomana ny sakaosy nisy ny vola teny aminy. Nanapoaka basy avy hatrany ilay jiolahy iray. Niezaka hanampy ny lasibatra ny fokonolona nanatri-maso saingy nanapoaka fanindroany ny basy ireo jiolahy. Vokany, lasa ny vola.
Sajo