Nifarana ny taom-pikatrohana 2024, ho an’ny taranja karate. Hiditra amin’ny fandaharam-potoana ho an’ny taona 2025, afaka herinandro, ny eo anivon’ny Federasion’ny Karate-do Malagasy. Araka izany, fampivondronana avy hatrany no hisantarana ny taom-pikatrohana 2025, ka hotanterahina ny 9 janoary izao izany ary hifarana ny 12 janoary. Ny sokajy Cadets, Juniors ary Seniors no voakasik’ity fampivondronana voalohany ary efa natao ny fiantsoana ireo voatsonga hiatrika izany. Eny amin’ny ANS Ampefiloha moa no hanaovana ny fampivondronana. Karatekas 117 no hiatrika izany eo amin’ny Kumite, ary ekipa 4 kosa ho an’ny kata. Notsiahivin’ny filohan’ny FKM fa avy amin’ny fifaninanana natao no nahafahana nitily ireo ankizy hiatrika fampivondronana ireo ary mbola handalo sivana sy fanadinana maro izy ireo vao mamoaka ny handrafitra ny ekipa nasionaly ny ekipa teknika eo anivon’ny federasion’ny Karate-do Malagasy. Anisan’ny nahitana vokatra tsara ny fanatanterahana fampivondronana ka hohatsaraina hatrany izany.
Mi.Raz