Hivalona afaka andro vitsy ny taona 2024. Maro ny vita? Mbola misy ny miandry? Anisan’izany ny fananganana habaka hoenti-mifandray sy mampahafantatra ary mivarotra ny kolontsaina sy ny zavakanto. Mbola maro rahateo ireo firenena tsy mahalala fa manan-karena kolontsaina ity Nosy ity.
Mbola mijanona eo amin’ny fampisehoana na fampirantiana ihany aloha hatramin’izao ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Sehatra tokana ahafahan’ny mpanakanto miaina sy mivelona ary mampivelatra ny talentany. Raha ny fananan’i Madagasikara harena maro amin’ny zavakanto, efa tokony hanana tsenabe hampahafantarana sy hivarotana izany ny eto an-toerana. Mety hanana endrika maro ny tsenaben’ny kanto haorina eto, satria, malalaka i Madagasikara. Maro ny kolontsaina sy ny zavakanto afaka hamidy. Maro ny mpanakanto manana “vokatra” tsy ananan’ny hafa sy tsy fahita firy maneran-tany, sns.
Tsy tokony ho ny mpanakanto irery no hanangana io tsenabe io fa ifarimbonany amin’ny fahefam-panjakana, mpandraharaha, sns. Amin’izay, ho mora kokoa ho an’ny mpanjifa ny hikaroka izay ilainy. Tahaka izany koa ireo manana ny kanto hamidy, tsy hananosarotra amin’ny fampahalalana ireo tolotra eo an-tanany. Ny varotra hatao, ho voaaro.
Samy manatontosa ny asany
Hivelatra ao anatina habaka midadasika ny tsenabe. Ho tazana ao avokoa rehefa mety ho kolontsaina sy zavakanto malagasy (hira, dihy, sary, asa tanana toy sokitra, tenona, rary, fomba amam-panao, fitafy, sakafo, sns). Aty am-boalohany, azo atao tsara ny manokatra ny tsenabe ao anatina fotoana voafetra. Any aoriana, misokatra mandavantaona izy io.
Ankoatra ny maha tsena (toerana ifanakalozan’ny tolotra sy ny tinady), hahasarika mpizahatany maro ny toerana tahaka izany. Hiroborobo fatratra ny toekaren’i Madagasikara. Ho voaporofo fa mahavelona firenena iray ny kolontsaina tsara trandraka.
Tsy ho tontosa anefa ireo raha tsy samy manana fahavononana hanatontosa ny asa manandrify azy. Io, matetika, no tsy ampy amin’ny Malagasy. Na, mifampisalovana, na mifampiandry. Taona 2025, mila miova ny toe-tsaina raha te hanana tsenaben’ny kolontsaina matanjaka sy kolontsaina mivelatra.
HaRy Razafindrakoto