Ao anatin’ny fanomanana ny fanatontosana ny horonantsarimihetsika « Ny Misiterin’ny farihy Tritriva » ny trano mpamokatra CSP Films Madagascar amin’izao fotoana izao. Nisy ny valandresaka natao ho an’ny mpanao gazety nataon’izy ireo ho fampahafantarana izany. Tao anatin’izany no nampahafantarana ny fisian’ny antso ho an’izay maniry ho mpilalao ao anatin’ny horonantsary. Hanomboka ny volana janoary 2025 ny fifantenana ireo handray anjara.
Tantara mirakitra ny fiainam-pitiavan-dRabeniomby sy Ravolahanta no haseho ao anatin’izany. Ankoatra izay, hitondra fampahafantarana mahakasika ny fomba sy ny kolontsaina nandritra izany vanim-potoana izany, tany amin’iny faritra Vakinankaratra iny, izay nisehoan’ny tantara, ity horonantsary ity. Tsiahivina fa tamin’ny vanim-potoana faha mpanjaka no nisehoan’ny tantaran-dRabeniomby sy Ravolahanta tao amin’ny farihin’i Tritriva. Vinavinain’ny mpanatontosa haharitra adiny roa eo ho eo ny tantara. Andriamahefa Jason Glenn no hiandraikitra ny fanatontosana izany. Izy izay fantatra tamin’ny filalaovana horonantsary maro, indrindra ny Novegasy.
Lin