Vehivavy iray, lehilahy efatra mpangalatra “vedette rapide” na lakana haingam-pandeha misy motera niara-voasambotry ny mpitandro filaminana tao Anjagnozano, kaominina Bemaneviky Andrefana, distrikan’Ambanja, afakomaly. Matetika itrangana halatra ataon’ny olon-dratsy ireo lakana misy motera fampiasan’ny mponina ao an-toerana. Sambo iray very tao Antanandavo, Nosy Be. Nanao hetsika manokana hanatrarana ireo olon-dratsy mangalatra io fitaovam-pitanterana io ny polisy. Sarona tany Ambanja io sambo io. Nokikisan’ireo mpangalatra ny lokony. Niroso tamin’ny fanadihadiana, voasambotra ny olona tompon’antoka tamin’ny fangalarana. Nitoroka ny mpiray tsikombakomba azy ity farany. Tafakatra dimy ireo voasaringotra. Ankoatra io, mitatitra olona antsokosoko mihazo ny nosy Mayotte koa ireto jiolahy ireto. Nogiazana ny “vedette rapide” tratra teny amin’izy ireo. Hatolotra ny fampanoavana aorian’ny famotorana ny raharaha.
Tsiferana R.