Fanararaotra lehibe ho an’ny Malagasy mpanakanto sy ny mpanakanto monina eto Madagasikara ny “Prix Paritana”. Hisy ny fanohanana amin’ny lafiny rehetra ho an’ireo tompon’ny tetikasa voafidy ho mpandresy.
Nanambara ny mahakasika ny fisian’ny fifaninanana “Prix Paritana 2025” ny mpikarakara ity hetsika ity, omaly. Fifaninanana karakarain’ny Fondation H ho an’ny Malagasy mpanakanto sy ireo mpanakanto monina eto Madagasikara izy io. Miditra amin’ny andiany fahasivy ny hetsika amin’io taona hiditra io. Tanjona ny hanomezana fanararaotra sy sehatra ho an’ny mpanakanto eto Madagasikara, indrindra ireo tanora. Hisokatra manomboka ny 3 janoary 2025 hatramin’ny 23 febroary 2025 ny fandraisana ny antontan-taratasin’ireo handray anjara.
Mitohy hatrany ny fampiroboroboana ny zavakanto ataon’ny Fondation H. Hatramin’ny niforonany, ny taona 2017, tsy nitsahatra nanohana ireo Malagasy mpanakanto ity ivontoerana ity, amin’ny alalan’ny hetsika sy fifaninanana “Prix Paritana”. Hetsika natao hanohanana ireo mpiangaly zavakanto an’endrika amam-bika sy an’efijery. Tetikasana Mpanakanto miisa 3 no ho fantenana ao anatin’ireo mpandray anjara. Tohanan’ny Fondation H, amin’ny fanatanterahana ny tetikasany ireo voafantina. Anisan’izany ny fampiofanana sy fanomezana toerana ahafahan’izy ireo manao fampirantiana hanehoany ny tetikasany.
Nanandratra mpanakanto
Fepetra ifantenanana ny zavakanto amin’ity ny mampiavaka azy, ny maha vaovao azy ary ny fitondrany rivo-baovao eo amin’ny sehatry ny kolontsaina sy ny zava-kanto eto Madagasikara. Maro ny Malagasy mpanakanto manana ny maha izy azy efa nandray anjara tamin’ny fifaninanana. Anisan’izany Andriantsialonina Eric eo amin’ny sehatry ny tantara an-tsary, Madame Zo, eo amin’ny sehatry ny fanenomana lamba, Rijasolo, eo amin’ny sehatry ny sary pika, Richianny, eo amin’ny sehatry ny hosodoko sy ny poezia.
Lin