Taorian’ny tranga ny alatsinainy teo, niakatra fampanoavana teny anivon’ny “Pôle anti-corruption” (Pac), omaly, ireo olona telo voarohirohy tamin’ny fanondranana antsokosoko volamena milanja 53,73 kilao. Mbola karohin’ny mpitandro filaminana fatratra kosa hatramin’izao ilay mpiasan’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE) voalaza fa nanao sonia ireo taratasy hosoka saika hitondrana ireo bologam-bolamena. Hatramin’ny ora nanoratanay, mbola nitohy ny fihainoana ireo voarohirohy.
Marihina fa nahitana vokatra ny “réunion tactique” napetraky ny fadintseranana sy ireo sampandraharaha samihafa eny Ivato, ny herinandro teo, tamin’ity tranga ity. Tsiahivina fa tra-tehaky ny mpiasan’ny fadintseranana ny lehilahy iray nikasa handray ny sidina Ethiopian Airlines-ET 852, mandalo an’Addis-Abeba, mifarana any Dubaï. Nitondra volamena antsokosoko amin’ny alalan’ny “valise diplomatique” sy antotan-taratasy sandoka ny tenany ka sarona avy hatrany vantany vao nandalo fisavana teo
amin’ny “zone sous-douane”.
Fantatra nandritra ny famotorana fa nampiana mpiasam-panjakana tsy manana fahefana amin’izany izy tamin’ny fikarakarana ireo antontan-taratasy.
Ankehitriny, mitotaly 67,565 kilao ireo volamena tratra saika haondrana antsokosoko nandritra ity volana desambra ity, izay efa samy napetraka eny anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara avokoa.
Henintsoa H.