Raha mbola fety gasy any Frantsa, anisan’ny be mpiandry indrindra ity. “Bapampa Réveillon”, izay iarahana amin’ny tarika Rossy iray manontolo, ao Paris! Hiara-dia amin’i Rossy ireo mpitendry notsongainy manokana tamin’ireo mpanao hiragasy malaza, toy ny avy amin’ny tropin-dRamilison, Razakason, Rainitelo, sns. Manampy izany ireo mpitendry efa tao anatin’ny tarika Rossy, monina any Frantsa. Anisan’ireny ry Hery Andrianasolo, mpitendry vatamaroafitsoka, Dominique Andrianjaka, mpively ampongamaroanaka, Liva Raveloarijaona, mpitendry gitara beso, Thierry Fabre, mpiangaly ny zavamaneno ravaka. Eo ihany koa ireo tanora mpandimby, toa an-dry Djarina, Tantely, sns, mpanao feo lafika izay efa misongadina an-tsehatra isaky ny manao fampisehoana ny tarika.
Fa tsy ny fetin’ny faran’ny taona ihany akory, fa seho maromaro ao Frantsa ka hatrany Allemagne mihitsy no hotontosain’ny tarika Rossy amin’ity fivoahanany manaraka ity. Hisantatra ny seho fifampiarahabana noho ny taom-baovao ny any Lyon, ny 4 janoary. Toulouse, ny 10 janoary, Marseille, ny 11 janoary, Grenoble, ny 17 janoary ary Allemagne, ny 18 janoary. Ireo aloha no fantatra, fa mety mbola hisy daty hafa amina toeran-kafa ihany koa amin’izao fihodinana hataon’ny tarika izao. Efa nampanantenain’ny tarika Rossy, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny “Festival Antsika Jiaby”, andiany voalohany teo ity fihaonana amin’ireo mpankafy, na Malagasy na tompon-tany, any Frantsa, ity.
Zo ny Aina