SOMBIM-BAOVAO

Diabe no nanombohana ny fifaninanana “Agnambahy mifety” tontosaina any Farafangana, omaly. Hiditra amin’ny andro faharoa, anio, kosa ny basikety 3×3 ary hanomboka ny andro voalohany ny basikety 5×5. Anisan’ny hifaninanana, anio, ny RBC sy ny ACES ary ny USBM sy ny Fosa.

Hofantatra ny faran’ity volana desambra ity, ny anaran’izay ho mpanazatra ny Barea, araka ny loharanom-baovao. Araka ny fantatra, tsy latsaky 54 no nanatitra antontan-taratasy hifaninana ho eo amin’io toeran’ny mpanazatra io izay hamoahan’ny FMF, MJS ary ny fiadiadiana ny Repoblika ny anarana iray.

Manatanteraka fanisana ireo sekoly ahitana fampianarana basikety, amin’izao, ny komisionin’ny mini-basket, eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety. Fanisana izay hitohy hatramin’ny 12 janoary izao, hahafantarana ny isan’ny sekolin’ny basikety manerana ny Nosy.

Tontosa ny 21 sy 22 desambra teo, teny amin’ny Orange Digital Center Soarano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Échecs “Blitz & rapide”. Tompondaka teo amin’ny “Rapide”, Razafindra­kotoarisoa Toavina ary tompondaka teo amin’ny “Blitz” kosa, Rakotomaharavo Dylan.

Partager sur: