Misokatra hatramin’ny alahady izao, ny Mozean’ny saripika eny Anjohy. Mandray fampirantiana telo ny toerana, amin’izao fotoana izao: “Maison des vivants”, “Lutteurs Bara” ary “Ramilijaona”. Ramilijaona no anisan’ireo Malagasy mpaka sary nitondra fanavaozana ho an’ny saripika, ka misy sanganasany maromaro notsongaina haranty ao. Aorian’ny amin’ny alahady 3 janoary 2025 indray vao hisokatra ny mozea.
“Fa lasa fiainana”, iarahana amin’ny Nox Mozika. Hotontosaina eny amin’ny Cneagr Nanisana ity fiarahana ity, izay hanomezana sehatra ireo mpanakanto mpiangaly ny jazz sy ny mozika maroloko. Ho vahiny manokana, mandritra izany, i Sandhy. Hisahana ny slam, handravaka ny fotoana kosa i Mitsinjo. Hisy ampaham-potoana hampiakarana ireo mpankafy an-tsehatra.
Tanterahina rahampitso manomboka amin’ny 11 ora atoandro, eny amin’ny Carrefour Ankorondrano, ny fampisehoana fahatelo ao anatin’ny « Mozika An-dalambe » andiany fahatelo. Handray anjara amin’izany i Silo, Mashmanjaka, The Revery, Eklyps, Steph Rambi, Lady Bird, Kevin & H-man, Teddy Rakotondrajo ary Doozy. Eo ihany koa ireo mpanao hatsikana miangaly ny “Stand Up. Hetsika hanangonana izay foy hanampiana ireo sahirana izy ity.
“Live Rock Faran’ny taona” eny amin’ny La Balançoire Ivandry. Hifampizara ny sehatra manomboka amin’ny 4 ora hariva ry Mage 4 sy ny tarika Kiaka. Tarika efa samy andrarezina, anisan’ireo zokiny tamin’ ny tontolon’ny rock, ireto ho tafaraka ireto. Tsy matetika mantsy izany no nisy, ka ho fanomezana fahafaham-po ireo mpankafy ity seho farany amin’ny taona 2024 ity.