Tohitra ody aina bitika : Mila ifandrombonan’ ny rehetra

Tahaka ny firenena maro maneran-tany, miatrika olana lehibe amin’ny fanaraha-maso ny fanoherana ny ody aina bitika «Résistance aux antimicrobiens» (Ram) i Madagasikara. Mampihena ny fahombiazan’ny fitsaboana mahazatra ireo mikraoba mahery fiarovana manohitra ny antimikraoba. Vokany, mananosarotra ny fanaraha-maso ny aretina, mitombo ny saram-pitsaboana ka mitarika amin’ny fahavoazana ary mety hiafara amin’ny fahafatesana. Antony mahatonga izany ny fampiasana diso na tsy fifehezana ny antibiotika amin’ny fitsaboana ny olona sy ny biby. Eo koa ny fanaovana dokotera tena, tsy misy fanaraha-maso koa ny fampiasana ny antimikraoba amin’ny fitsaboana biby sy ny fambolena ka mampiparitaka ny mikraoba mahery fiarovana. Mitaky fandraisana andraikitry ny rehetra ny fisorohana ny Ram hiarovana ny taranaka any afara amin’ny alalan’ny fisorohana, ny fanaraha-maso ary ny fanabeazana ny rehetra. Marihina fa efa nahitana ity tranga ity ao Mahajanga, ny herinandro teo. Voafaritra ireo nandritra ny fankalazana tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro fanentanana ho an’ny tohitra ody aina bitika, tetsy Soarano, ny alatsinainy teo.

Henintsoa H.

Partager sur: