Malaka ny fifamoivoizana taorian’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy. Somary nangina ny fety tamin’ity taona ity, tsy nahalafo ny ankamaroan’ireo mpivarotra akoho amam-borona eny an-tsena manoloana ny fidangan’ny vidiny. Nahitana fiakarana ihany koa ny ankabeazan’ny entana eny an-tsena.
Mponina miisa 1 450 no hisitraka rano fisotro madio ao amin’ny distrikan’i Moramanga, faritra Alaotra Mangoro. Miisa 10 ny fotodrafitrasa famatsian-drano napetraka any an-toerana ka ny dimy ao amin’ny kaominina Andasibe, raha efatra ao amin’ny kaominina Morarano gara mitsinjara amina fokontany telo, raha iray ao amin’ny kaominina Ambohibary.
Manao sesilany ny sambo goavana mitondra mpizahatany migadona ao Toamasina. Nijanona roa andro tao Ste Marie ny sambo Dumont d’Urville avy ao amin’ny Nosy Maorisy. Nankafy ny hakanton’ny avaratry ny Nosy sy nitsidika ireo toerana miavaka sy ny faritra Atsinanana ireo mpandeha miisa 127.
Nisitraka fampitaovana ireo mpanjono ao amin’ny kaominina Marovoay. Nisy ihany koa ny fizarana karatra maha mpanjono ary ny fanentanana azy ireo hampiasa ny fitaovana natokana ho an’ny fanjonoana. Nampahafantarina ireo mpanjono ny tokony hanajany ny fikatonan’ny jono ary ny fanentanana mahakasika ny Intoxication par la Consommation
d’animaux marins” (ICAM).