Efa vita nialohan’ny fetin’ny Noely avokoa ny famoahan’ny Ceni ny voka-pifidianana vonjimaika,
isam-paritany. Niavaka tamin’izany ny tany Antsiranana I.
Mitarika amin’ny fahazoana isam-bato be indrindra amin’ireo kandidà ben’ny Tanàna amin’ireo renivohi-paritany enina, tamin’ny fifidianana teo, i Dzavojozara Jean Luc Désiré. Nirotsaka amin’ny tsy miankina ao Antsiranana I ny tenany ary nahazo ny salanisa maherin’ny 65%, araka ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni.
Manaraka akaiky azy amin’ny fahazoana vato be indrindra ny kandidàn’ny Irmar ao Fianarantsoa I, amin’ny alalan-dRamanaindraibe François d’Assise. Nahazo ny 58% mahery izy. Samy nahazo ny maherin’ny 46% avy kosa ireo kandidàn’ny Irmar amin’ireo renivohi-paritany telo hafa. Anisan’izany Andriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain, ao Toamasina I. Nibata ny 46, 44 % ny tenany tamin’iny fifidianana iny. Tahaka izany koa ny ao Mahajanga I, amin’ny alalan’i Heriniaina Tia Solofomanga, nahazo ny 46,34%. Ho an’ny any Toliara I kosa, nahazo 46,25% ny kandidà Irmar, Rabehaja Jean.
Kandidà tokana voafidy avy hatrany
Latsaka amin’ireo kosa ny eto Antananarivo Renivohitra. Nibata ny 43,24% ny kandidà Ramanantsoa Herilala.
Maro kandidà nifaninana kosa ny tao Mahajanga. Miisa valo izy ireo raha arahin’ny eto Antananarivo Renivohitra, miisa fito. Samy efatra sy dimy kosa ireo mpifanandrina amin’ny renivohi-paritany hafa, ankoatra ny any Antsiranana. Miisa telo ireo mpifaninana tamin’iny fifidianana iny, tany an-toerana.
Tsiahivina fa miisa 81 ireo kaominina tsy nanana afa-tsy kandidà na lisitra tokana. Anisan’izany ny etsy Imerintsiatosika. Nandatsa-bato fa tsy nifidy ny olom-pirenena tamin’ireny kaominina ireny.
Synese R.