Very vola 7 hetsy sy finday iray ny tokantrano iray ao Andranomadio 11/41, kaominina Toamasina, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma 27 desambra teo. Niandry trano irery niaraka tamin’ny zanany vao 8 volana io renim-pianakaviana io. Ny vadiny izay voatery niala mandry noho ny fahazoany asa vaovao. Notongavan’ny dimy lahy tao an-trano, araka izany, ilay renim-pianakaviana. Niditra mangingina tamin’ny andro alina, notsilovin’izy ireo tamin’ny taratra hazavana ilay zaza ka nitomany. Taitra, nijery ilay zanany ny reniny, kinanjo, efa jiolahy ireo nanoloana azy. Nasain’ireo tsy mataho-tody nampangiana ilay zaza sy tsy nahazo niantso vonjy io ramatoa io. Efa navoakan’ireo tsy valahara ivelan’ny trano ny fahitalavitra. Notakiny tamin’io renim-pianakaviana io ny vola tahiry. “Nitondra antsibe, basy, niampy fitaovana manokana fanapitsohana varavarana ireo olon-dratsy”, araka ny fitantaran’ny lasibatra. Nitsoaka nandositra ireo mpandroba taorian’izay. Tsiahivina, ahitana asan-jiolahy miseholany, mitam-piadiana, ao Toamasina tao anatin’ny herinandro.
Sajo.