EDBM : Voatendry ho PCA Randriamandranto Joël

Hitana ny andraikiny vaovao amin’ny maha filohan’ny filankevi-pitantanan’ny PCA, Economic Development Board of Madagascar (EDBM), ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana teo aloha, Randriamandranto Joël. Vita sonia, omaly, teny Antaninarenina, ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny filohan’ny filankevi-pitantanana teo aloha, Rakotomalala Lantosoa, izay voatendry ho masoivohon’i Madagasikara any Etazonia, rehefa nitana ny andraikitra maha PCA azy nandritra ny roa taona.
Manana traikefa sy fahaiza-manao eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny rafi-panjakana ity PCA vaovao ity, noho izy efa avy nitana ny andraikitra amin’ny maha minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana azy. Efa avy minisitry ny Fitaterana sy ny fizahantany ihany koa ny tenany ary nitazona ny toeran’ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Ofisim-pirenena momba ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Ankoatra izay, efa nitazona andraikitra tao amin’ny EDBM ihany koa ny tenany izao voatendry ho PCA izao.
Nanatrika ny lanonana famindram-pahefana ireo mpikambana rehetra ao amin’ny EDBM.

Henintsoa H.

Partager sur: