Vita ny 60% ny fanamboaran-dalàna 2km ao Ambaniala, RN12-Tamboro, anatin’ny kaominina Ambila, distrika Manakara, hanamorana ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra any an-toerana. 30 ha monja sisa ny velaran-tany tsara tondraka ka tsy afaka mamokatra ny lemaka noho ny fahasimban’ny «barrage de dérivation» ao amin’ny reniranon’i Manambaroha izay tototry ny fasika, raha 675 ha no tany tokony hamokarana. Hametraka «station de pompage» eo amin’ny faritra ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) hamatsiana rano ireo tanimbary 60ha ao amin’ny «Centre de multiplication de semence » (CMS) ka hamatsy masomboly voamarina ho an’ny mpamboly vary rehetra ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, ezaka tanterahina amin’ny alalan’ny fandaharanasa Defis, vatsian’ny Fida vola.
Amoron’i Mania
Vita ihany koa ny asa fanarenana ny lalana mampitohy an’Andina sy Ihadilanana. Noraisina vonjimaika ny alatsinainy teo, ny lalana 20,31 km mampitohy ny kaominina roa tonta sy ny tetezana miisa 13 nasiam-panavaozana. Nisedra olana aman-taonany maro ny mpamokatra any an-toerana noho ny faharatsiana sy ny fahatapahan’ny lalana. Ankehitriny, misokatra ny lalam-bokatra ary voavaha ny olana eo amin’ny fivezivezen’ny mpividy sy ny mpamokatra.
Henintsoa H.