FANTINA sy FINTINA

Maro anisa amin’ireo voafidy amin’ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni ny avy amin’ ny Irmar, manerana ny Nosy. Nahazo ben’ny Tanàna miisa 967 izy ireo. Arahin’ny tsy miankina miisa 474 raha 52 kosa ny avy amin’ny Fivoi. Miisa 38 kosa ireo ben’ny Tanàna Tim, arahin’ny Firaisankina, miisa 37. Nahazo 36 kosa ny ADN.
Lohalaharana amin’ny fahazoana ny ben’ny Tanàna maro anisa, ho an’ny faritanin’Antananarivo ny Irmar. Miisa 130 izany raha 77 kosa ireo avy amin’ny mahaleo tena. Manana ben’ny Tanàna 51 kosa ny Fivoi raha 32 ny avy amin’ny Tim. Ho an’ny MMM kosa, iray ny ben’ny Tanàna azon’izy ireo, ho an’ny faritanin’Anta­nanarivo.
Tsy handefitra amin’ireo rehetra tafiditra anatin’ny fanararaotana ny harena voajanahary ny minisitera, araka ny nambaran’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovainjafy, i Max Fontaine. “Name­traka fitoriana izahay ary mitaky ny hampiharana ny sazy amin’ireo voasaringotra anatin’izany, na iza na iza”, hoy izy.
Naneho ny heviny manoloana ireo hafatra nampitain’ireo eo anivon’ny fiangonana koa, Raza­fin­joelina Tahina. Nohitsiny fa tsy tokony hanampina maso sy sofina amin’ireny fanambarana ireny. “Mila ma­naiky ny fahadisoana vao mihatsara. Aleo tsy manome tsiny ray aman-dreny ara-pinoana fa olom-boahositra izy ireny ka mba henoy ihany”, hoy izy.

Partager sur: