Nilatsaka anelanelan’ny Noely sy ny fetin’ny faran’ny taona ny « Festival Sambaraha ».
Hetsika ara-kolontsaina sy fizahantany tontosaina nanomboka omaly ka hifarana rahampitso alahady izy ity, ao an-drenivohitry ny faritra Anosy. Fetibe mitohy, araka izany, ny ao Fort Dauphin. Ny alakamisy dia efa nosokafana tamin’ny famonoana omby ho nofon-kena mitam-pihavanana izany. Narahin’ny diabe namakivaky ny tanàna, nandraisan’ireo Hery velona ao an-tanàna anjara mavitrika, taorian’izay. Nofaranana tamin’ny afomanga, rehefa vita ny lahateny nifandimbiasana, ho mariky ny fanombohan’ny lanonana.
Notontosaina, omaly, kosa ny fifidianana ny « miss Sambaraha », narahina seho ara-javakanto.
Satria tsy zavakanto ihany, hiditra amin’ny dingana manasa-dalana anio ireo fifaninanana ara-panatanjahantena, toy ny hazakazaka lakana, basikety, surf, tsipy kanetibe, beach-soccer, sns.
Rahampitso alahady kosa ilay seho goavana, anisan’ny andrasan’ny maro isaky ny « Sambaraha ». Hifandimby an-tsehatra, mandritra izany, ry Ceasar, Blaise, Tence Mena, Mirasoa, sns, ampian’ireo mpanakanto zanaky ny faritra izay omena sehatra ivelarana ihany koa.
Satria anisan’ny tanjona voalohany amin’ny hetsika ny fisarihana mpizahatany, hisy ny tsidika ireo toerana mahaliana sy heverina fa mahasarika ireo vahiny, rahampitso. Tsy ny vazaha ihany no kendrena amin’izany fa eo ihany koa ireo Malagasy avy amin’ny faritra hafa, te hitsidika an’i Fort Dauphin.
Zo ny Aina