Firaisamonim-pirenena : Manameloka ny fanondranana antsokosoko ny harem-pirenena

Miantso ny hamoahana sazy henjana ho an’ireo olona voarohirohy tamin’ny raharaha fanondranana sokatra antsokosoko miisa 112, tranga niseho teny Ambohibao Antehiroka, ny Firaisamonim-pirenena.

Manara-maso amin’ny mety hisian’ny mpanelanelana hanakonana ny raharaha izay manam-porofo ny fisian’ireo olom-boafidy miray tendro amin’ny fandrobana ny harena voajanahary eto amin’ny firenena ny firaisamonim-pirenena. «Ma­na­­mafy ny fahavononanay hiara-hiasa amin’ny sampandraharaham-panjakana amin’ny famongorana ny tsy fanarahan-dalàna amin’ny fanondranana ny harena voajanahary ny firaisamonim-pirenena», hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Alliance voahary gasy (AVG), Razaka­ma­narina Ndranto, omaly, teny Andrainarivo, nandritra ny fanambarana nataon’ireo fiarahamonim-pirenena maherin’ny 80 misehatra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Notohizany fa midera ny fahasahiana sy fahaiza-manaon’ireo mpampihatra ny lalàna izy ireo, miainga amin’ny mpitandro filaminana ka hatrany amin’ireo manam-pahefana am­bony misahana ny heloka bevava.

Fotoana
Mampirongatra ny trangana kolikoly sy fanondranana antsokosoko ny harena voajanahary ny vanim-potoan’ny fety sy ny fifidianana. «Fo­to­ana izao hametrahana ny tany tan-dalàna matotra sy marina. Maika dia maika ihany koa ny hametrahana ny hay tantana ny harena voajanaharintsika», hoy hatrany ny AVG. Noho izany, manao antso avo amin’ny fandraisan’andraikitry ny rehetra ny firaisamonim-pirenena amin’ny fiarovana ny harena voajanahary hafa misy eto Madagasikara. Marihina, nidoboka vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ilay olom-boafidy avy ao Soavinandrina sy ireo namany efatra voarohirohy tamin’ity tranga ity, taorian’ny nihainoin’ny fampanoavana azy ireo, afakomaly. Marihina fa sazian’ny Cites roa hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina, arahina fandoavana lamandy manomboka amin’ny 100 tapitrisa Ar ny tranga toy izao. Manantena, araka izany, ny firaisamonim-pirenena fa ho tafiditra amin’izany ireto voalaza ho olon-dratsy ireto. Notsindriny ma­nokana fa mahatratra hatrany amin’ny 3 976 ireo sokatra tratra tamin’ity taona ity.

Henintsoa Hani

Partager sur: