Fitantanana ny loza ara-tontolo iainana: Hiara-kiasa ny BNGRC sy ny ONE ary ny SMA

Nanao sonia fifanarahana fiaraha-miasa ny BNGRC sy ny Ofisy nasionaly misahana ny tontolo iainana (ONE) ary ny Orinasa monisipaly miandraikitra ny fanadiovana (SMA), omaly, teny amin’ny birao foiben’ny BNGRC Antanimora.

Tanjona ny hanatsarana ny fizarana angon-drakitra eo amin’izy ireo, hampitomboana ny fifanakalozana vaovao momba ny tontolo iainana, izay tena zava-dehibe ho an’i Madagasikara. Tsapa amin’ izao fotoana izao ny lanjan’ny fiarovana ny tontolo iainana.
Tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ara-tontolo iainana amin’ny fanangonana sy fanavaozana ny mari-pandrefesana ao amin’ny « Tableau de bord environnemental (TBE) » sy ny vavahadin-tserasera Hay natiora ny ONE. Zava-dehibe ny fahamatoran’ny angon-drakitra ampiasaina amin’ireo fi­taovana ireo ka ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny BNGRC sy ny SMA. Hanampy amin’ny fitrandrahana angon-drakitra mifan­draika amin’ny lohahevitra isan-karazany, toy ny tontolo iainana an-tanàn-dehibe, ny fiovan’ny toetr’andro, ary ny fampihenana ny loza voajanahary, izy ireo.
Ankoatra izany, ny fitaovana sy ny angon-drakitra zaraina dia afaka hifanaraka sy hifanentana amin’ny sarin-tany maneho ny faharefoana volavolain’ny BNGRC sy ny angon-drakitra momba ny fanadiovana omen’ny SMA. Hojerena ihany koa ny fampiroboroboana ny fifanakalozana vaovao tsy tapaka eo amin’ireo mpandray anjara, hampiorina ny fiaraha-miasa.
Dingana lehibe mankany amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny loza ara-tontolo iainana sy ny fiarovana izany eto Mada­ga­sikara ny fiaraha-miasan’ny telo tonta.
Nanotrona ny lanonana ny sekretera jeneralin’ny minisite­ran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy, Rasa­moe­lina Moise. Teo koa ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja, ary ny tale jeneralin’ny ONE, ny jeneraly Rabemanantsoa Michel. Miaraka amin’ny tale jeneralin’ny SMA, ny kolonely Razafimanahaka Tiana.

Vonjy

Partager sur: