Future for Children Madagascar – Overcome Women Madagascar: Hanohana ny ankizy sy ny zon’ny vehivavy

Fikambanana iraisam-pirenena roa no hiasa eto Madagasikara ho fampivoa­rana ny lafiny sosialy. Noraisin’ ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Auré­lie, teny amin’ny toeram-piasany, ny mpiandraikitra ny Future for Children Madagas­car sy ny Overcome Women Madagascar. Hiara-hiasa ho fikarakarana ny olona marefo ny fikambanana sy ny mini­sitera. Misehatra manokana amin’ny fiarovana sy ny fanabeazana ny ankizy ny Future for Children Madagascar. Miasa ho an’ny fampizakan-tenan’ny vehivavy sy ny fiarovana ny zony kosa ny Over­come Women Madagascar. Nanolotra ny drafitrasany hotanterahiny eto amintsika izy ireo, tamin’ity herinandro ity.
Nanamarika ny minisitra fa zava-dehibe ny fanohanan’ny fikambanana iraisam-pirenena tahaka izao amin’ireo saha­nasa ho fampivoarana ny lafiny sosialy. Vonona hanampy antsika ny vondrona iraisam-pirenena hanohy ireo ezaka ho fanatsarana ny tontolon’ny ankizy sy ny fampivoarana ny vehivavy amin’ny ankapobeny.

Vonjy

Partager sur: