Mahasolo: Vehivavy hita faty tao an-tranony

Hita faty tao an-tranony vokatry ny fanafihan-dahalo tao Mahasolo, ny 25 desambra 2024, ny renim-pianakaviana iray. Nahazo fampitam-baovao ny zandary notarihin’ny tobim-paritry ny zandary ao Mahasolo momba ny fisian’ity vonoan’olona feno habibiana ity. Feno ratra ny vatany manontolo. Tonga teny an-toerana ny zandary niaraka tamin’ny dokotera avy ao amin’ny CSB2 Mahasolo nijery ny zava-misy. Voamarina tokoa izany ka tao anatin’ny fizahana ny razana no nahitana ireo tsatoka zava-maranitra tamin’ny vatany. Fantatra tao anatin’ny fanadihadiana savaranonando fa dahalo telo niaraka tamin’ny zava-maranitra no niditra an-keriny tao an-tranony, tamin’io fotoana io. Lasa nitsoaka avy hatrany kosa ireo malaso rehefa avy nanafika. Nanao ny fiambenana ireo kizo mety handalovan’ireo dahalo ny zandary. Marihina fa efa voakarakaran’ny fianakaviany ny razana tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo zandary nanao ny fizahana. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ny zandary. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

J.C

Partager sur: