Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora, afakomaly, i Tagogo sy ny namany. Jiolahy malaza ratsy amin’ny vaky trano ry zalahy ireto. Nanomboka ny 15 desambra 2024 teo ny fisamborana nataon’ny zandary. Niainga tamin’ny fahatrarana jiolahy mpamaky trano iray fantatra amin’ny anarana hoe i Tagogo teny Ikianja, fokontany Ambohidrazana, Anjeva Gara, ny fanadihadian’ny zandary. Ny famotorana azy no nahafahana nisambotra ireo namany sy ny vehivavy iray antsoina hoe Raneny, mpividy entana halatra. Tratra teny Andravoahangy ny jiolahy roa naman’i Tagogo sy ilay vehivavy mpandray halatra. Nandritra ny fisavana ny tranon-dRaneny no nahitana ireo karazan’entana halatra marobe. Anisan’izany ny fahitalavitra, ordinatera sy ireo kojakoja samihafa momba ny zavamameno. Izy ireo avokoa no tompon’antoka tamin’ny vaky trano sy fanendahana misesy tao amin’ny kaominina Ambohimalaza, Anjeva Gara, Andravoahangy, Analakely. Nogiazana avokoa ireo entana halatra hita tao an-tranon-dRaneny. Taorian’ny famotorana sy ny fanamarinana rehetra nataon’ny zandary, efa naverina amin’ny tompony ireo entana tratra tany amin’ireo jiolahy. Fantatra fa mbola misy jiolahy karohina, anisan’ireo mpiray tsikombakomba amin’i Tagogo. Maro, araka izany, ireo olona efa nitondra faisana tamin’ ireto tambajotran-jiolahy ireto.
Jean Claude