Ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny fiomanana amin’ny taom-baovao, tsy nanadino ireo zaza kamboty navelan’ny polisy maty am-perinasa, izay ivelan’ ny ankanin’ny polisim-pirenena, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny talata lasa teo. Notolorana vary sy kilalao ary kojakoja ilaina andavanandro avy izy ireo, izay natao tetsy amin’ny Hôtel de la police Tsaralalana. Samy nahazo ny anjarany avy, tamin’izany, ireo tokantrano 40 sy ireo ankizikely kamboty niisa 71. “Fotoana hanomezana fifaliana sy hizarana fitiavana ho an’ireo zaza kamboty ny hetsika tahaka izao mba ho toy ny ankizy rehetra”, hoy ny contrôleur general de Police, Rakotoarimanana Herilala, minisitry ny Filaminam-bahoaka, nandritra ny hetsika teny an-toerana.
Intelo miantaona ny fijerena azy ireo
Sokajy roa no misy ny zaza kamboty eo anivon’ny polisim-pirenena. Misy ireo taizaina any anivon’ny akany any Ambatolampy ary ireo ivelan’ ny akany. Manodidina ny 40 tokantrano eo ireo zaza kamboty ivelan’ny akany, ahitana zaza kamboty 71. “Intelo miantaona izahay no mijery sy manolotra fanomezana ho azy ireo”, hoy kosa ny commissaire divisionaire de Police, Andrianalison Haminiaina Solofotiana. Voalohany, rehefa amin’ ny fotoan’ny fetin’ny fahaleovantena 26 jona, hanomezana azy ireo ny arendrina sy ny kilalao maro. Faharoa, ny fotoana hidiran’ny mpianatra, hanomezana azy ireo ny fitaovam-pianarana. Farany, ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny taom-baovao tahaka izao. “Mirary fety sambatra ho an’ny vahoaka malagasy mba hanao fety ao anaty filaminana sy fifaliana”, hoy ny minisitra.
Mino