Oniversiten’i Fianarantsoa: Nametraka ny fam­­pia­narana ampitain-davitra

Nanamarika ny taona 2024 ho an’ny Onivesiten’i Fianarantsoa ny fisantarana ny fampianarana ampitain-davitra (Foad) tanterahina eo anivon’ny fakiolten’ny Siansa ary tohanan’ny Agence universitaire de la francophonie (AUF). Mahakasika lalam-piofanana roa ny tetikasa Foad, ny Master en Gestion intégrée des ressources en eau (Gire) sy ny Licence professionnelle en exploitation des eaux et électricité (LP3E). Nisy ny atrikasa nizarana ny haivao momba ny fampianarana, tamin’ity volana ity. Nampahafantarina nandritra ny atrikasa koa ny fifehezana ny sehatra niomerika “Moodle” hokirakirain’ny mpampiasa satria io no fototra ho an’ny fampianarana ampitain-davitra. Hametraka fitaovana niomerika ahazoan’ny mpianatra mahafantatra ny naoty azony amin’ny fotoana rehetra ny tomponandraikitra. Teo koa ny fampiofanana momba ny fampiasana ny “ScreenPal”, logiciel manokana ilaina amin’ny famolavolana horonantsary fanazavana lesona. Hanamorana ny fifandraisana eo amin’ ny mpampianatra sy ny mpianatra ity fitaovana ity sady
ahazoana miserasera mivantana eo amin’ny roa tonta. Tanjon’ny Oniversite amin’ny fametrahana ny fampianarana ampitain-davitra ny hizara fampianarana manana kalitao ho an’ny rehetra miaraka amin’ny fomba fampianarana mode­rina manaraka ny fivoaran’ny teknolojia vaovao.

Vonjy

Partager sur: