Taona 2025 – Boky : Hivoaka ny Valihan’ Ikaky I

Ny taona 2020, nivoaka voalohany ny boky Valihan’Ikaky. Amin’ny ankapobeny, voasokajy ao anatin’irony boky hoenti-mandalina ny zava-panahy izy tamin’izany. Nanantombo kokoa, mantsy, ny fampianarana sy fanabeazana momba ny fifandraisana sy ny fifamatoran’ny fanahy sy ity zavamaneno ity, raha oharina amin’ny fampianarana mitendry valiha, voarakitra ao anatiny. Nanjary maro be ireo nanaraka ny pejy hany ka nisy fiantraikany tany amin’ny fahazoan’ny tsirairay ny boky izany.
Taona 2024, nanapa-kevitra ny mpanoratra sy ny Foibe fikarohana sy fampianarana momba ny valiha Valiha Académie fa : « …Ny taona 2025, havoaka indray ny boky Valihan’Ikaky I. Tsy asiam-panovana ny voarakitra ao anatiny fa hozaraina ao anatin’ny famoahana miisa 12 ». Nomarihin’ny mpanoratra hatrany anefa fa : « na lazaina fa an’ny Malagasy aza ny zavamaneno valiha. Mbola vitsy ny mahafantatra ny momba azy ity, isika. Noho izany, ilaina ny mampahalala azy. Fotoana fanatanterahana izany rahateo izao ».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: