Taonan’ny vaksiny ny 2024: Nahomby ny hetsika fanaovam-baksiny enina vita

Raha tombanana ny taona 2024 ho an’ny lafiny sosialy, nibahan-toerana ny fahasalamana, indrindra ny ho an’ny ankizy, tamin’ny hetsika fanaovam-baksiny enina natao hisorohana ny aretina sy ny fahafatesan’ny zaza madinika.

“Efa niakatra ho 86% ny tahan’ny zaza vita vaksiny ny volana desambra 2023, raha 36% monja izany taorian’ ny fiparitahan’ny valanaretina Covid-19. Mbola nitombo ho 96% ny tahan’ny fahavitam-baksiny ho an’ity taona ity”, hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny profesora Ran­driamanantany Zely Arivelo. Enina ny hetsika fanaovam-baksiny vita tamin’ity taona ity, roa vaksiny miaro amin’ny poliomelita, iray ho an’ny fiarovana amin’ny kitrotro ary ny telo fanaovam-baksiny fanatrarana ireo ankizy tsy mbola nahavita fatra na iray aza sady manamafy ny fanaovam-baksiny mahazatra.
Reny mpiahy ny vaksiny rahateo ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, ka natao ho taonan’ny vaksiny ity taona ity. Manamora ny asan’ny mpiasan’ny fahasalamana mpanao vaksiny ny fandresen-dahatra nataony. 400 000 ny ankizy vita vaksiny miaro amin’ny kitrotro tamin’ity taona ity ary hanatratra ankizy 800 000 kosa izay tsy mbola nandray fatram-baksiny amin’ny taona 2025.
Eto Antananarivo Renivo­hitra, Avaradrano, Atsimon­drano ny 80% amin’ireo zaza tsy mbola nisitraka fatram-baksiny mihitsy. Nametrahana paikady manokana ny asa fan­dresen-dahatra ny ray aman-dreny hanaiky ny hampanaovana vaksiny ny zanany. Satria, miaro amin’ny fahafatesana sy ny takaitra mandrakizay ate­raky ny aretina azo sorohina ny fanaovam-baksiny

Foibe fitehirizana vaksiny lehibe aty Afrika
Notokanan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, mivady, ny volana avrily lasa teo, ny foibe lehibe indrindra aty Afrika, hitehirizana vaksiny eto Madagasikara. Naorina eny Ivato miaraka amin’ny toeram-piasan’ny sampandraharaha misahana ny fanaovam-baksiny eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasa­la­mam-bahoaka ny fotodrafitrasa.
“Fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny Uni­cef ary ny alliance Gavi, tao anatin’ny efatra taona, no naha­zoana ny fotodrafitrasa vaovao izay fanatsarana ny rafitry ny fahasalamana”, hoy ny talen’ny fanamafisana ny rafitry ny fahasalamana sy ny vaksiny avy amin’ny alliance Gavi, Alex de Jonquières. Nanokana vola mitentina 100 tapitrisa dolara ny Gavi nandritra ny taona ho an’i Madagasikara, ho fanamafi­sana ny fanaovam-baksiny, araka ny nambarany ihany. Miten­tina 4 tapitrisa dolara mahery ny fanorenana sy ny fampitaovana ny foibe vaovao, ahitana trano fampangatsiahana 11 sy vata fampangatsiahana 2 000.

Vonjy

Partager sur: