TARATRY ny KANTO

« Okay Live », eny amin’ny CCI Ivato. Anisan’ ny hetsika hamaranana ny taona ity hiseho anio ma­nomboka amin’ny 10 ora ity. Fampirantiana ny hakanton’ireo fiara tranainy, arahina fampisehoana nataon’ireo mpanao rap zokiny izany. Hifandimby an-tsehatra ry Ben J, Doublenn, Budha El Taga, Psykopasy, Tako­dah sy NgahB, sns.
Hivalona tsy ho ela ny taona 2024. Volana desambra, fotoana hoentin’ny mpanakanto mandrefy ny dingana vitany. Hametrahany ihany koa ny hoavy manaraka… Saingy, misy ireo tsy manatanteraka ireo. Ny taona 2025 no hanamarina izany. Mpanakanto, tsy mivoatra, manao hitsin-dalana. Tsy afaka manatsara ny efa vitany teo aloha, sns. Ho an’ny mpanakanto hafa indray, “isika tsy mitsara tena fa aleo hotsarain’ny mpanjifa”!
Efa maro ireo Malagasy mpanakanto nanainga ho any ivelany. Hanafana ny « Réveillon » mahazatra ao Frantsa izy ireo. Taorian’ny tarika Rossy, lasa omaly koa ry Gothlieb, Gasy Bandy, Lôla, sns. Hanampy an’i Manoa Ralisy sy i Felaniary izay efa any an-toerana ry Goth, Luk, ary i Lilie, mandritra ny Reveillon “dobok’hafaliana”. Ho vahiny manokana mandritra izany koa ny tarika Feon’Ala.
Hifampizara sehatra eny amin’ny Balançoire Ivandry ny tarika Mage 4 sy ny tarika Kiaka, anio. Rock ranoiray, araka izany, no handravaka ny sehatra amin’ity anio ity, manomboka amin’ny 4 ora tolakandro. Ankoatra izany, maro ihany koa ny fampisehoana Rock ao anatin’izao faramparan’ny taona izao. Tafiditra ao anatin’izany ny eny amin’ny Kudéta Anosy, anio.

Partager sur: