Nomarihina omaly, ny faha-52 taonan’ny antoko Mpitolona ho an’ny fandrosoan’i Madagasikara (MFM). Namoaka fanambarana izy ireo ary nametraka fepetra maromaro.
Nambaran’izy ireo, tamin’ izany, fa maika ny hametrahana amin’ny toerana mendrika sy tena sahaza ny fandresena ny fampahantram-piheverana. “Ilaina ny fanajana toy ny anakandriamaso ny safidin’ny olom-pirenena tsirairay ary ny tany tan-dalàna”, hoy izy ireo. Niaiky anefa ny “Mafana” fa tsy hahavita irery ny tena fiovana. Hiezaka kosa anefa mba hisian’ ny fifarimbonana sy ny teny ierana ho an’ireo mandala ny hametrahana ny fenitry ny demokrasia.
Notsiahivin’ny MFM fa maro ireo dingana nolalovana sy nosedraina tamin’ireo tolona nifanesy, na tamin’ny hevitra narosony na tamin’ny asa nataony, ho fampitrakana ny firenena. “Niharan’ny antsojay sy sakana ary famindran-toerana arakasa sy fanagadrana ary famonoana nataon’ireo mpitondra nifandimby izahay”, hoy izy ireo. Nanterin’ny MFM fa mbola mijoro ny antoko, ny mpandimby amin’ny fitarihana sy fampanjariana ny tolona na efa nodimandry aza ny ankamaroan’ny mpanorina sy ny mpitarika isan’ambaratongany.
Fanadiovana ny tokotany
Etsy andaniny, anisan’ny maika ho an’ny “Mafana” ny fanadiovana ny tokotan’ny tontolo politika ka antony hitakin’ izy ireo ny fanovana. Dingana tsy azo ialana sy tsy maintsy hirosoana, araka ny fanambarana. Notsiahivin’ny MFM fa ilaina ny fifidianana mifototra amin’ny fahamarinana sy madio ary azo antoka fa manaja ny safidin’ny mpifidy. “Loharano fototry ny fahefana izany. Hala-bato kosa anefa ny mifanohitra amin’izany. Famafazan-dainga sy fividianana ny mpifidy…”, hoy ihany ny MFM. Nanterin’ izy ireo fa mitondra mankany amin’ny tsy tan-dalàna sy ny tsimatimanota izany ary fampiadiana ny mpiray firenena ka hiafara amin’ny tsy fahatokisana sy fampirafesana. Hitoetra eto ny tsy refesi-mandidy ary tsy ho marin-toerana ny firenena, araka ny nambaran’ ny “Mafana” hatrany.
Synese R.